kolontsaina

Olombelo Ricky Hanolotra seho goavana etsy amin’ny Havana resort


  • Talata 16 Martsa 2021

Seho goavana na hoe “Grand live” no hatolotr’i Olombelo Ricky etsy amin’ny Havana resort Ambohidahy

 

 

 ny alin’ny 19 martsa izao ao anatin’ilay seho tokana mitondra ny lohateny hoe “Salanitra eee! Finaritra eee!”. Tafiditra ao anatin’ilay antsoina hoe hetsika manokana na “showcase” ireny izy ity mazava ho azy ho fanajana ny fenitra ara-pahasalamana, hoy hatrany ny fanazavan’ny mpikarakara. Mbola tsy tokony ho atao rahateo hatreto moa ny manatontosa hetsika mamory vahoaka an-kalamanjana ka antony hanaovana ity hetsika ity anatina toerana azo hanalana azy ao amin’ity hotely goavana ity na ny “Rooftop” izany. Mampanantena zoma manala azy etsy Ambohidahy indray, araka izany, ny mpanjakan’ny manala azy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT