kolontsaina

Olombelo Ricky Hampiara-peo amina andriambavilanitra maromaro


  • Talata 25 Jolay 2017

Toy ny fanaony isan-taona dia hotanterahina ny 27 jolay ho avy izao etsy Antsahamanitra ilay hetsika Malaza azy vita Baka, hiarahana amin’ny olombelo Ricky.

  Hanomboka amin’ny 6 ora hariva ny lanonana, tohanan’ny Top Radio sy ny orinasam-pifandraisana Airtel akaiky.  Ireo  tanora no tena omena sehatra manokana, araka ny fanazavan’ireo mpanohana. Hanampy ny olombelo Ricky hanafana ny sehatra mandritra izany ny tarika “The Women” ahitana an’i Elsie, Manou, Grace Loren ary i  Faniah. Toraka izany koa  i Liva  Andrianavalona izay efa  elaela ihany  tsy hita, hotronin’i Dina Voakaly, mpanakanto tsy zoviana amintsika intsony.  Ho an’ireo tsy afaka amin’io dia  mbola  hisy ny fampisehoana hafa hiarahana amin’ireto mpanakanto ireto eny amin’ny Arena Center Ivandry ny 4 aogositra  ho avy izao manomboka amin’ny 8 ora alina.   Nambaran’ny tale jeneralin’ny Airtel Maixent Bekangba fa  efa 25 taona ankehitriny no nisian’ny hetsika Manalaza azy vita baka, dingana iray hidiran’ireo mpianatry ny lisea ho any amin’ny tontolon’ny asa, antony tena nanosika azy ireo hanohana ny hetsika.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT