kolontsaina

Olobe eto Madagasikara Manameloka ny fananganana ny “Colisée”


  • Alakamisy 11 Jona 2020

Niray feo tamin’ny alalan’ny Antenimieran’ny olobe eto Madagasikara (AOM) ireo olobe manerana ny nosy manoloana ny fananganana Colisée eny anatirova. Nanambara ny AOM fa mitana haren-tsaina sarobidy ny rova.

 

 

 

Vakoka, hasin’ny fiandrianana Merina sy manerana an’i Madagasikara. Io no famantarana voalohany an’i Madagasikara, mampiavaka azy eto anivon’ny riaka ranomasimbe indianina. Taratry ny fifampitondrana masina niarahan’ny foko rehetra ka nampisy fandriampahalemana tsy nisy tomika, hoy hatrany ny santionan’ity fanambarana ity. Saropiaro amin’ny soatoavina sy ny kolontsaina ary mikatsaka fatratra toy ny volamena sy mitandro toy ny anakandriamaso ny fahendrena, ny firaisankina, ny fihavanana ny OIM, hoy izy ireo, ka noho izany dia manameloka ny fananganana Colisée eny anatirova. Miombon-kevitra ny amin’ny handravana izany tsy misy hatak’andro ary manentana ny fitondrana hamita ny asa fanarenana ny rova amin’ny maha vakoka azy. Manentana ny fitondrana hanao izay fara heriny handravana ao anatin’ny fotoana fohy ny Colisée, hoy hatrany ny nambaran’izy ireo mba hitandroana ny firaisam-pirenena sy ny vakoka.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT