kolontsaina

Olan’ny OMDA Fifampiresahana ihany no hahitana vahaolana


  • Zoma 15 Jolay 2022

Araka ny efa nanamùpoizana azy dia nivoaka ny fanehoan-kevitra avy amin’ny ankolafin’Artista hafa nanohitra ny fanambaran-dry Samoela sy Jaojoby afak’omaly.

Nivoaka ihany koa ary niparitaka tao amin’ny tambazotra facebook ny antontan-taratasy mampiesho hoe nisy tamin’ireo artista milaza fa tsy mety ny ataon’ny minisitry ny kolontsaina ireo no nanasonia ny drafi-panavaozana ny fomba fiasan’ny OMDA .Nivoaka ihany koa anefa ny fanehoan-kevitry ny artsita hafa nilatsaka eo afovoany ka nilaza fa tsara ilay fanavaozana sy fanatsarana fa mila miresaka sy mifandamina tsara aloha.Ao anatin’ny fifampiresahana no ahiatana ny vahaolana tena mahomby sy hampisindana ny ahiahy tsy hihavanana hoy ity elatra iray ity .Etsy ankilan’izay dia misy ihany koa ny mpanakanto nisafidy ny hitazana fa tsy haneho hevitra aloha, ny fitadiavana izao no tena maha rempotra anay, hoy izy ireo fa alamino tsara ao aloha ny resaka OMDA. Zavatra tsy tokony ho sarotra ity raharaha ity , fa ny fidiran’ny politika no hita fa nahatonga ny savorovor.Mandeha ila ihany koa ny asa noho ny tsy mbola nahavoatendry hatramin’izao ny talen’ny OMDA.Ny volana febroary 2022 no nesorina tamin’ny toerany ny tale teo aloha.Ny karazana didy jadona ataoan’ny ministeran’ny kolontsaina no tsy mety aminay hoy ireo naneho hevitra ny alarobia lasa teo, ary tokony hifanaja ao anatin’ny asa sy ny kanto fa tsy terena amin’izay eritreretinao any an-tranonao any ny Artista.Mbola tantara mitohy.
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Rovan’Ambohitratrimo,
  • Talata 28 Aprily 2026

nahitana tavoahangy nisy pétrole

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

Hijery ny tohiny
FTT