OKTOBERFEST 2025

Hahazo tombony manokana ny mpisotro labiera


  • Alakamisy 18 Septambra 2025

Hankalazaina isaky ny volana Oktobra ny volan'ny labiera na ny Oktoberfest.

Amin’ny alalan’ireo hetsika maro isan-karazany sy fitondràna zava-baovao no hanatontosana izany. Omen-danja ny THB, GOLD, QUEENS, BEAUFORT ary FRESH manerana ny Nosy mba hizarana fotoana mahafinaritra ho an’ny olon-drehetra. Hivoaka mandritra ny Oktoberfest ihany koa ny Gold Amigo.Amin’ity andiany ity dia hiverina indray ity zava-pisotro ity izay bière tequila efa fantatra sy ankafizin’ny mpanjifa. Tavoahangy 33cl no misy azy, manampy ireo tsiro telo amin’ny vokatra GOLD. 5,9% ny tahan’ny alikaola ao anatiny ary 3 500 Ariary kosa ny vidiny tena izy. Voafetra ny fotoana hisiany manerana an’i Madagasikara, izany hoe : anelanelan’ny volana Septambra sy Novambra ihany. Tsiahivina moa fa hifanindry an-dalana amin'ny Star Tour hatao ao Toamasina ny Oktoberfest. Eo amin’ny Parking Arena Sports no hanaovana izany ny datin'ny 04 sy ny 05 oktobra ho avy izao. Ho hita mandritra izany ny seho goavana miaraka amin’ny LION HILL et LJO ny Sabotsy 04 Oktobra raha Rootsman sy Samoela kosa no hamarana azy ny Alahady 5 oktobra. Aorian’ny Star Tour Toamasina dia hisy ny Camion Tour Oktoberfest ny 09 ka hatramin’ny 20 oktobra. Tanàna 6 no handray izany izay ahitana fanentanana azahoana loka Oktoberfest koa. DJ THREE T sy BARHONE kosa no hametraka ny ambiansa mba hanetsiketsika ny ao Sonierana Ivongo, Mahambo, Fénérive Est, Brickaville, Vatomandry ary Mahanoro.
Pati
Légende : Nandritra ny tafa nokarakarain'ny orinasa Star tamin'ny mpanao gazety omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT