kolontsaina

OKTOBERFEST 2022 Hanomboka anio ary haharitra herinandro


  • Zoma 21 Oktobra 2022

Raikitra ny Oktoberfest taona 2022. Hanomboka anio zoma 21 oktobra ny hetsika haharitra fito andro.

Hiparitaka manerana ny Nosy mihitsy izany ka ankoatra ireo fanentanana samihafa amin'ny toeram-pivarotana maro toy ny toeram- pisakafoanana izay miara-miasa amin'ny orinasa Star dia hisy ihany koa ireo karazana lalao maro isan-karazany azon’ny rehetra handraisana anjara azy hahazoana goodies mitondra loko Oktoberfest. Handalo any amin'ny faritra koa ny Camion tour, ka anisan’ny hahazo tombony ny ao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro, Analanjirofo ary Mahambo, hetsika izay tsy mbola nisy hatramin’izay. Hanao fanentanana mandritra izany I Andry Barhone miaraka amin'ireo mpanakanto any an- toerana sy Animation DJ... Hisy ihany koa karazana kilalao kermesy hahazoana loka isan-karazany. Any Toamasina moa no hamaranana ny Oktoberfest amin'ny alalan'ny "Star tour tamatave" taona 202 amin’ny datin’ny 29 sy ny 30 oktobra ho avy io. Hohafanain’ny fampisehoana hataon’ireo artista maro izany. Hisy ihany koa ny animation podium ka DJ miisa telo no hanafana ny lanonana. Raha araka ny fanazavan’ny orinasa Star moa dia hataony laharam-pahamehana ny fiambenana sy ny fiantohana ny fandriampahalemana mandritra ireo hetsika ireo no sady hanampiany ireo mpivarotra hanakaiky bebe kokoa ny mpanjifa ihany koa.
Pati
Legende : Mafana hatrany ny Star tour sy ny Oktoberfest amin’ny ankapobeny
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Rovan’Ambohitratrimo,
  • Talata 28 Aprily 2026

nahitana tavoahangy nisy pétrole

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

Hijery ny tohiny
FTT