kolontsaina

Ofisim-pirenena misahana ny sarimihetsika Hiroso amin` ny fanovana


  • Alarobia 10 Jolay 2019

Nankatoavin` ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny didy hitsivolana 2019-008 manafoana ny lalàna 2011-007 natolotrin` ny ministeran` ny serasera sy ny kolotsaina mba hifehezana ny tontolon`ny sarimihetsika teo Mada.

 

 

Ara-dalàna tanteraka ny fangatahan` ny ministera hoy ny teo anivon`ny HCC ka tsy maintsy hirosoana ny fanovana sy ny fandaminana rehetra tsy maintsy apetraka manolona ny fitantanana izany, hoy Francis Razafiarison, tale jeneralin` ny kolotsaina eo anivon` ny ministeran` ny serasera sy ny kolotsaina. Ny rafitra entina hitantana ny sehatry ny horonantsary no tsy maintsy ovàna ireo endrika sy tsy fahatomombanana nisy teo amin`ny OMACI (ofisim-pirenena misahana ny sarimihetsika). Isan` ny toe-draharaha mitàna ny sain` ireo mpikatroka ao anatin` ny tontolon` ny sarimihetsika tamin` ny volana aprily ny raharaha mahakasika ny OMACI kanefa maro ireo toe-javatra tsy nifanaraka tamin` ny lalàna sy tamin` ny tokony ho izy tamin` ny fitantanana ity sampandraharaha ity hatramin` izay. Ka izany indrindra, hoy ny tale jeneralin` ny kolontsaina, no tsy maintsy nojeren` ny ministera manokana ny hanamboarana volavolan-dalàna manitsy ny fomba hitantanana izany. Na dia eo aza ny olana samihafa nisy teo anivon` ny OMACI dia nipetraka hatrany ny fiarahamiasa teo amin` ny ministera sy ireo mpisehatra ao anatin` izay tontolon` ny sarimihetsika izay hatramin` izao. Tsiahivina fa maro ireo fanakianana mahakasika io raharaha io ary isan` izany ny tambazotra miaro ny zon` ny mpanfifa izay nilaza fa resa-bola io raharaha OMACI io ary mampidi-bola tokoa ho an` ny fanjakana. Marihana fa hisokatra ny zoma 19 jolay ho avy izao ny sinema Canal Olympia etsy Andohatapenaka ka asa raha hisy hifandraisany.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT