kolontsaina

Ny hiranay fahiny tetsy amin’ny CCESCA Nitondra fanomezana niavaka ho an’i Neny


  • Alatsinainy 28 Mey 2018

Azo ambara fa nitondra fanomezana niavaka ho an’ireo reny tonga nanatrika teny amin’ny CCESCA Antanimena, ankoatra ny fanomezana manokana efa natolotra azy ireo noho ny fetin’ny reny, ny kalokalo tao anatin’ilay hetsika “Ny hiranay Fahiny” natolotry ny Best Pro sy See You omaly alahady 27 mey 2018.

Na dia efa zokinjokiny nahazoazo taona manodidina ny 80 taona avokoa aza ireo mpanakanto nisehatra tao amin’ity CCESCA ity, dia tsapa fa mbola voatazon’izy ireo tsara ny angola tany am-piandohana nikaloany an’ireo hira nahafantarana azy tsirairay avy ka niarahan’ny mpijery, indrindra ireo andriambavilanitra izay maro an’isa, novetsoina niaraka tamin’izy ireo. Nanampy azy ireo tamin’izany ireo mpihira tanora toa an-dry Véronique sy Fanja … Niarahan’ny rehetra niredona, ohatra, ny “trano bongo”, hiran-dRossinah, ny “volana  ô”, an’i Abel Ratsimba, “Tsy sahiko”, an’i Salomon, “Lavi-tiana”, an’i Gaston Andrianony, “Romy” an’i Biry Railovy, “Satria tia ahy ianao” sy ny “veloma” namaranana ny seho nataon’i Henri Ratsimbazafy.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT