Ny fatidrà sy ny tontolony

Mifono fifamatorana lalina eo amin’ny olombelona


  • Zoma 21 Martsa 2025

Mbola samy ahitàna fanatontosana ny fomba antsoina amin’ny teny malagasy ofisialy

hoe «fatidrà» avokoa amin’izao fotoana izao ny faritra rehetra eto Madagasikara. Samy manana ny fiantsoany azy ihany koa, araka izany, ny faritra samihafa eto amin’ny firenena. Ao ny miteny koa hoe «fatodrà», hoy ny mpandinika, Rainihifina, ao amin’ny bokiny mitondra ny lohateny hoe «Fomba Betsileo». Ao ny milaza izany hoe «tsitsika». Eto Imerina moa izany dia hoe «fatidrà». Ny anglisy dia mandika izany amin’ny hoe «blood brotherhood», izany hoe, raha adika ara-bakiteny dia «fanamafisana firahalahiana amin’ny alalan’ny rà». Ho an’ny malagasy moa dia hoe «fifamatorana amin’ny alalan’ny rà». Araka izany dia tsy ny malagasy irery ihany koa ny manatontosa ity fomba ity fa na ry Vercingétorix, izay lehiben’ny razamben’ny frantsay fahiny dia ny gaulois, tany amin’ny taona 72 talohan’ny vanim-potoanantsika na koa hoe «72 avant notre ère», izany hoe taona 72 talohan’i Kristy aza, dia efa nanatontosa ny antsoina hoe «Pacte» na fifanakalozan-drà amin’ny alalan’ny fifanorohana, raha ny tahirin-kevitry ry zareo frantsay. Nanatontosa izany koa ny firenena eoropeanina hafa tahaka ny anglisy araka ny efa voalaza teo. Ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany dia manana ny endrika hanatontosany io antsoina hoe «fatidrà» io avokoa. Ao ireo mifampisotro rà. Ao ireo mampifampikasoka ny tanany avy nodidiana mba hifamindràna rà ka ny tanjona ao anatin’izany rehetra izany dia ny mba hifamindràna rà eo amin’ny andaniny sy ny ankilany ka hahatsapàn’ny andaniny fa misy ràn’ny ankilany mikoriana ao amin’ny andaniny ary misy ràn’ny andaniny mikoriana ao amin’ny ankilany. Heverina ihany koa fa efa hatramin’ny faha vazimba no antony nipoiran’ny teny hoe «fihavanana» sy «fampihavanana», izany hoe «Fifampitondràna tahaka ny mpihavana!» ny fanaovana fatidrà. Nampanaovina fatidrà na nanao fatidrà, araka izany, izay malagasy te hifampitondra tahaka ny mpihavana. Tsy sahy mifanao ratsy, araka izany, raha fehezina ireo rehetra nahavita fatidrà na koa hoe tsy sahy mifamadika, arakaraky ny antony nanaovana izay antsoina hoe «fatidrà» na «pacte». Mifono fifamatorana lalina eo amin’ny olombelona, raha ny fintin’ireo tahirin-kevitra voahangona hatrany, araka izany, ity fomba iray ity.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT