kolontsaina

Ny Apinga Nanimba soatoavina ny valanaretina


  • Alatsinainy 19 Jona 2023

Mankalaza ny iray volan’ny teny malagasy isika ankehitriny ary miara-manamarika manokana izany koa ny fikambanana Ny Apinga

na dia efa mankalaza ny tenin-drazantsika isan’andro amin’ny alalan’ity soatoavina antsika no sady vakoka iraisampirenena dia ny kabary ity aza, hoy ny filohan’ny Ny Apinga, Manampisoatoavina Lalaina Mitahiry Fahendrena. Tonga, hoy izy, ankehitriny ny vokatra, mantsy ny omaly tetsy amin’ny kianja maitso Analamahitsy. Mpiofana miisa 368, mpandalina 80, mpampianatra 20 no notolorana marim-pahaizana sy mari-piofanana ho mpikabary matihanina rehefa nahavita fianarana kabary nandritry ny 10 volana. Tafiditra anatin’ny fankalazana ny faha 15 taonan’ny Apinga koa izy ity. Efa nomena fahalalana fototra izy ireo ary anjarany no manitatra ny fahaizany amin’ny alalan’ny fampiharana izany eny amin’ny fiarahamonina. Manodidina ny 500 isa isan-taona ny mpikabary nasandratray manokana. Nanimba ny kolontsaina kosa anefa ny valanaretina ary iny no tena olana indrindra satria nihena tany amin’ny 200 tany ny isan’ny mpikabary nasandratra tamin’ireny. Miverina amin’ny laoniny tsikelikely izy amin’izao raha toa ka tena simba tamin’ireny ny soatoavina. Tsy azo natao ny mifandray tanana sy ny fifamangivangian’ny mpianakavy. 28 isa no mari-boninahitra nomen’ny minisitera ity fikambanana ity kosa ny volana janoary ary isaorana azy nahita ny asanay fa dia izay no tena tsara indrindra. Miha liana amin’ny kabary ny tanorantsika satria raha am-polony no liana tamin’ny kabary tato, 15 taona lasa izay, nefa dia ankehitriny araka ny nambara teo dia saika an-jatony foana no liana isaky ny andiany, toy izany ity andiany Hajia ity. Ny alarobia 20 septambra indray sy sabotsy ary alahady 23 sy 24 septambra indray no fidirana manaraka, hoy hatrany ny Ny Apinga.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT