kolontsaina

Ny Andriana Robert “Mila hasandratra ny hasim-pirenena”


  • Zoma 01 Jona 2018

Samy manana ny fahitany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana ny tsirairay, indrindra amin’izao fotoana mafampana eto amin’ny firenena izao. Ho an’ny Andriana Robert, mpiandry ny hasim-piandrianan’Imerina eny amin’ny vohitra Ambohimanga, dia ny hasim-piandrianana no mila haverina hapetraka na hasandratra maika eto amin’ny firenena.

  Ny fisian’ny hasim-piandrianana no mampisy ny hambompom-pirenena izay midika ho fitiavan-tanindrazana lehibe tokoa. Mitaky adidy  sy andraikitry  avy amin’ny  raiamandreny ara-drazana isaky ny foko 21 manerana ny Nosy anefa izany, hoy izy.  Foko 21 satria izay ny isan’ny  foko raha ara-piandrianana no tenenina. Nohazavainy, fa efa lasa haolo ny vohitr’Andriana sasany nisy izay hasim-piandrianana izay, ka tsy fantatra hatramin’izay tompony.  Lasa honohono ihany koa rehefa niditra tamin’ny fitondrana Repoblikanina. Ny faribolana mainty (zarazarao hanjakana) napetrak’i Galliéni, hoy ny Andriana Robert, dia nanapotehana ny maha malagasy. Very niaraka tamin’izay fanapotehana ny maha malagay izay ihany koa ny hasim-piandrianana sy  ny hambompom-pirenena, izany hoe ny fitiavan-tanindrazana. Faribolana mainty izay efa manomboka mivaha taorian’ny fihaonamben’ny Andriana avy amin’ny foko 21 natao teny Ambohimanga ny taon-dasa ary hitohy any Fianarantsoa amin’ny volana septambra ho avy izao. Ny fisandratan’izay hasim-piandrianana izay no  hitondra filaminana eto amin’ny firenena, hoy hatrany ity andriana iray ity nanohy ny fanazavany.

 

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT