kolontsaina

NY AMPINGA Namoaka mpikabary 150 mianadahy indray


  • Alarobia 14 Jona 2017

Namoaka ny andiany fahasivy misalotra ny anarana “Antsiva” indray ny fikambanana Ny Ampinga ny faran’ny herinandro teo, fikambanana izay tsiahivina fa mampianatra kabary maimaimpoana.

 Teny Analamahitsy no nanaovana ny  fanandratana  azy ireo tamin’izany  izay nahatratra 150 mianadahy mianaka ka fito taona no zandriny indrindra tamin’izany raha 62 taona no zokiny indrindra. Nianatra nandritra ny fito  volana teny amin’ny ANS Ampefiloha sy teny amin’ny LTP Alarobia ary teny amin’ny sekoly  Fanoellie Imerinafovoany izy ireo ary efa mahafehy tsara ny asan’ny mpikabary avokoa. Tonga nanotrona ny lanonana tamin’izany avy ao amin’ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny avy ao amin’ny Federasion’ny Mpikanto teny sy Soratra (FMTS)  raha ny filoha tale jeneralin’ny sekoly ambony INSPNMAD kosa no Ray mpiahy azy ireo.  Raha araka ny fanazavan’i Manampisoatoavina, tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny fikambanana “Ampinga” dia natao hanairana ny manodidina ity andiany vao navoaka ity.  Amin’ny volana novambra ho avy izao indray  no hiditra amim-pomba ofisialy ny andiany fahafolo.                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT