kolontsaina

Ny Ainga Hanao « vaky sehatra » ao Antsahamanitra


  • Alarobia 19 Aprily 2023

Akany mitaiza sy manabe ireo zaza sahirana sy tratry ny kere any atsimo ny Akany “Ecole de la chance”.

Miisa 5 ny Akany mandrafitra azy io dia ny Akany Valisoa Anketraka, Akany Longosoa Ampasy Toliara, Akany Fiadanantsoa Anketraka, Akany Nahodasoa Amatara ary ny Akany Marosoa Marofotsy. Ny fikambanana MGM (Malaza Ny Gasy), fikambana izay manao asa soa, no miantsoroka an’ireo Akany ireo. Tanjony ny hahafahan’ireo ankizy any atsimo misitraka fampianarana sy fanabeazana toy ny ankizy rehetra ka mba hahatanteraka izany indrindra dia mikarakara ny fampisehoana ataon’ny tarika “Ny Ainga sy ny mpandihany” ity fikambana ity, hoy ny fampitam-baovao voaray. Mitondra ny lohateny hoe “Vaky sehatra 2023” io fampisehoana io ary ho tanterahana ny alahady 30 aprily ho avy izao eny Antsahamanitra manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Ny vola rehetra azo amin’io fampisehoana io dia entina hanampiana ireo ankizy sahirana ireo amin’ny fanorenana trano fianarana any an-toerana, fividianana seza sy latabatra fianarana, fitaovam-pianarana maro samihafa ary famatsiana rano eny anivon’ireo akany, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Izay izany vao hamaky sehatra etsy Antsahamanitra ny Ny Ainga ho an’ity taona ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT