Nostalgic's Group

Hamelona ireo hira tsy tontan’ny ela hatrany


  • Alarobia 04 Septambra 2024

Ny Nostalgic's Group dia niorina tamin'ny taona 2010, hoy ny fampahatsiahivan’ny mpihira ao anatin’ity tarika

mpanafana lanonana ity, Njaka Randria. Nampiaina ireo hira fahiny nanomboka ny taona 1960 ,1980 , 1990 izahay, hoy izy. Tanjona ny hamelona sy hampiaina indray ireo kalo fahiny, na vahiny na ny eto an-toerana, ary hanome ihany koa fahafaham-po ho an'ireo olon-dehibe na ireo mpakafy ireo hira taloha. Manome fotoana anao ary ny Nostalgic's Group ny 28 septambra 2024 ao amin'ny Happy Zone Avaratr’Antanimora ho avy hanotrona izany. Hisy ny tapakila hidirana ary mbola handray anao ao ihany koa ny Resto Happy zone amin'ny sakafo mafilotra izay tsy handiso fanantenana anao, hoy hatrany ny fanazavan’i Njaka Randria, izay nanamafy fa hamelona ireo hira tsy tontan’ny ela hatrany izy ireo amin’io fotoana io.
J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT