North & cCenter, 30 taona

Hanolotra seho feno fahatsiarovana


  • Alakamisy 04 Septambra 2025

Ny alahady 5 oktobra 2025 izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro

no fotoana hanamarihana ny faha 30 taonan’ny tarika mpiangaly Rap gasy, North & Center, araka ny fampahafantarana nataon’izy ireo tetsy amin’ny IKM Antsahavola omaly. Tsy very maina, hoy ny tarika, ny ezaka natao tao anatin’izay 30 taona izay. Namaky lay izany Rap gasy izany izahay tao anatin’ny tantara, niaraka tamin’ireo akama rehetra izay isan’izany ihany koa. Faly izahay amin’izao taona 2025 izao satria tena nisokatra ny lalana ho an’ny HH ihany koa. Raboussa izao iny nametraka tantara milay tao amin’ny lapan’ny fanatanjahantena raha nankalaza ny faha 25 taonany farany teo. Azo lazaina hoe manana solontena ankehitriny amin’ny sehatra rehetra ny mpiangaly ny tontolon’ny HH. Misy ny any amin’ny lapam-panjakàna, ny resaka fahasalamàna, tontolo iainana sy samihafa. Faly izahay satria solontena ao anatin’ny fianakaviambenay daholo izany. Faly be izahay satria tafita ny hafatra. Betsaka ny sedra fa tsy natao nahakivy. Naleo niezaka foana dia mbola tonga amin’izao faha 30 taona izao indray hiaraka aminareo mpankafy satria ny fangatahanareo mihitsy no mahatonga anay mbola eto. Seho sahazana olona miisa 3000 no heritreretina ho atao satria misy kalitao heritreretina. Tsy misy hahafahana manatontosa izany ankoatran’ny ao amin’ny lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina. Tsy ho ampiasaina manontolo anefa ny lapa satria misy zavatra nomanin’ny Sary sy feo manokana ary nomaninay ihany koa ao amin’ny resaka seho an-tsehatra. Hampiavaka azy ihany koa ny hoe seho «nostalgique» na feno fahatsiarovana io. Na ny vahiny nasaina aza dia saika ireo antsoina hoe «Old school» na sekoly taloha amin’ny fiangaliana Rap rehetra no ho avy ao. Nisy koa ireo tarika taty aoriana tahaka an-dry Meizah, Mr Said, Sphinx. Ho avy ao Ry Krutambul, Big Jim Dah, Takodah sy Ngah be, Da hopp, Samantha sy Kayah, Doubl’enn, Tagg, Psikopasy, Donat, 8 milimetatra sy ny maro hafa. Adin’ny 4 eo raha kely ny fampisehoana ary tena hampirevy na ny vahiny nasaina na izahay ato amin’ny North and center. Ho atao daholo ny hira nahafantarana ny tarika hatramin’izay ka hatramin’izao. Eo koa ny hira vaovao. Tsy latsaky ny 30 isa eo ny hira ho ataonay manokana. Ho avy eo daholo na i Murphy na KD na Pati na Tsiory, ny tarika iraimanontolo, hoy hatrany ny North and center.
J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

  • Mpanakanto Shyn
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

"Mbola tsy hita ny hazavana"

  • Famelomana ireo tantara
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

an-tsary fahiny

  • Fanavaozana ny Firenena
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

« Mila mifaka amin’ny «

Hijery ny tohiny
FTT