kolontsaina

North and Center Hamoha ny lasa ao Antsirabe


  • Alarobia 20 Oktobra 2021

Fampisehoana miisa 2 be izao no atolotry ny tarika mpanao Rap, North and Center, ao Antsirabe ny 27 oktobra izao.

 Ao amin’ny La palette no fotoana manomboka amin’ny 3 ora tolakandro amin’ny alalan’ny fampisehoana anaty trano mifampitohy na ilay antsoina hoe “Show case” itony ary mitondra ny lohanteny hoe “Revy sa ditra?”. Ao amin’ny B’art haingo indray avy eo ny hariva manomboka amin’ny 7 ora amin’ny alalan’ny fampisehoana mitondra ny lohateny hoe “Tsy digniko”. Hampiavaka ity seho faharoa ity ny fivahinianan’ireo namana niara-niangaly ny mozika Rap teo anelanelan’ny taona 1990, 2000, 2010 tany ho any hatramin’izao toa an-dry Donat, Lil Meker, Sigah La Perle, DJ Smart. “Revy sa ditra”, “Tsy Digniko” nitohy taty amin’ny “Mahatsiaro” sy “Ny hatsaranao” ary ireo vazo nahafantarana an’izany North and center izany, araka izany, dia inoana fa hamoha ny lasa niarahana tamin-drizalahy sy zavavy ireto avokoa ao Antsirabe ao amin’io.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT