kolontsaina

Njara Marcel Hitondra hira Malagasy sy findraman-kira miavaka


  • Alakamisy 16 Desambra 2021

Etsy amin’ny Havana Resort Ambohidahy no fotoana iarahana amin’ny tarika Njara Marcel ny alin’ny 31 desambra izao manomboka amin’ny 8 ora ho fiandrasana ny taona vaovao 2022.

 Ankoatry ny fahafinaretan’ny maso sy ny sofina izay ampanantenain’ny mpikarakara ao anatin’izany dia hiavaka ihany koa ny sakafo hatolotra izay nomena lohahevitra mba hampifandraisana ny haitsiro eran-tany ka nampitondrana ny lohateny hoe “buffet autour du monde”. Niatrika fotoan-tsarotra isika nanomboka ny 2020, hoy ny fanazavan’ny mpikarakara, Tahiana Razanamahefa. Teo ny fihibohana sy ny fikatonan’ny sisintany nandritry ny fotoana naharitraritra. Ankehitriny efa manomboka miverina misokatra tsikelikely izany fa ao foana ny fitandremana amin’ny fiarovan-tena tsy hiparitahan’ny valanaretina. Anton’ilay safidy nanaovana karazan-tsakafo maneran-tany izany. Ho hita ao ny sakafo Malagasy, eoropeanina, orientalina, aziatika. Safidy manokana I Njara Marcel, noho izy, mpanan-talenta tanora nandrombaka ny laharana voalohany tamina fifaninanana iray. Mivoy ny bahan-kira Malagasy izy ary hitondra amin’ny fombany ireo karazan-kira hafa ho indraminy koa izay hifanjoy amin’izay karazan-tsakafo hita eto amin’izao tontolo izao izay, hoy hatrany ny fanazavana. “Ho mandrakizay”, “Manana finoana”, “Avalony”, “Lasanao iny” sy ireo vazony hafa nahafantarana izany Njara Marcel izany, araka izany, dia hanakoako ao an-toerana amin’io fotoana io fa hisy koa ny tsy ampoizina amin’ny findraman-kira ataon’ity mpanakanto ity, raha ny fanampim-panazavana hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT