kolontsaina

NJAKATIANA Mankalaza ny faha-25 taona niakarany an-tsehatra


  • Alarobia 17 Mey 2017

Mankalaza ny faha-25 taona niakarany an-tsehatra i Njakatiana. Fampisehoana goavam-be hotanterahina eny amin’ny Coliseum Antsonjombe

 no hanamarihany izany ny alahady 21 mey ho avy izao manomboka amin’ny 10 ora maraina hanasany ireo olon-drehetra efa nampiara-peo taminy hatramin’izay. Hampiavaka ny fampisehoana raha araka ny fanazavan’i Njakatiana tamin’ny mpanao gazety omaly ny hivetsoany ireo hira rehetra nanamarika azy tao anatin’izay 25 taona izay entina hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa. Toraka izany koa  ireo hira navoakany faramparany hotronin’ny fizarana maimaim-poana rakikira ara-pilazantsara  sangan’asany navoakany hanampiana ny mpiara-belona sy hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra. Mpanohana ofisialy ny hetsika ny Airtel Madagascar. Anisan’ny tanjon’izy ireo mantsy ny hampiakatra ny mpanakanto Malagasy fanta-daza toa an’i Njakatiana, indrindra ny fanomezany vahana ny hira Malagasy, ravahan’ireo karazana gadona maro samihafa. Ho avy hanotrona an’i Njakatiana mandritra izany Mr Sayda, Christian kely, Sarobidy, Meizah ary Ariane.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT