kolontsaina

Nini Colbert, Benny, Bebey Hampirevy etsy amin’ny Piment café


  • Alakamisy 04 Novambra 2021

Izaho sy Benny ihany no mpikamban’ny tarika Lolo sy ny tariny eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, hoy i Bebey, fa noho ity resaka krizy ara-pahasalamana tsy mety misava ity moa dia manahirana

 ho an’ny namana any an-dafy ny hankaty. Te hijery mafy an-drizalahy ao amin’ny tarika Mahaleo izahay saingy raha vao ho tonga ao indray anefa izao dia hiteny ny olona hoe maninona no tsy miakatra ialahy isany? Tsy tiako ho tonga amin’izay anefa ilay izy satria fankalazana ny 50 taonan-drizalahy io. Ho an’ny Lolo sy ny tariny manokana dia efa tapitra ny fandaharam-potoananay ho amin’ity taona ity fa samy manana ny reviny manokana avy eny hanohizana azy. I Eric Manana izao io efa manana ny fandaharam-potoanany nialoha be ho aty Madagasikara. Izaho sy i Benny kosa hanao Cabaret ao amin’ny Piment café ny zoma izao (TTF: Rahampitso) miaraka amin’i Nini Colbert. Hiran’i Lolo sy ny tariny ranoray no hatao ao. Izay angamba no mampiavaka azy satria izahay koa mba efa 40 taona, 45 taona no teo ka tsy dia hita hoe inona moa no tena tokony hanovana ilay revy, hoy hatrany ny fanazavan’i Bebey ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT