Toerana masina ny Rovan’Antananarivo, ary ny vohitra manana ny fadiny, hoy ny Mpanjaka Ndriana Rabarioelina tamina fahitalavitra iray omaly.
Nambarany fa nanomboka ny taona 2015 no natao ny fanosorana azy ho mpanjaka teny amin’ny Rovan’Ambohitrabiby, izay nisy dingana 7 tao anatin’ny 7 taona. Efa nihaona tamin’ny mpanjaka mihoatra ny 100 tany ampitan-dranomasina tao anatin’ny fisedrana, ary firenena 12 teo no noteteziny tamin’izany ho fanamafisana ny firaisan-kinan’ny mpanjaka, hoy izy. Misy zavatra azo atao, ary misy ny tsy azo atao. Andro fisaonana izany 06 novambra izany, izay nahamay ny Rova 25 taona lasa izay, kanefa io no hitokanana ny “colisée”. Ny Fitondrana amin’izao fotoana izao dia nametraka “Coliseum Romain” ambarany fa kianja Masoandro. Efa betsaka no niteny ny Fikambanan’ny Andriana maro eto Imerina sy manerana an’I Madagasikara, ny fikambanana, mpikambana amin’ny akademia, mpampianatra eny amin’ny anjerimanontolo, ny loholona,… Na teto na tany ivelany dia samy miteny fa tsy mety io. 95% amin’ny olona an’arivony nanaovana fanadihadiana no tsy manaiky an’io, ary 5% no manaiky. Eritrereto hoe eny amin’ny Rovan’Ambohimanga na any Vohipeno no hasiana sivilizasionina Romanina, ka tsy mety izany.
TSY MAINTSY HESORINA IO
Vakoka rakotry ny ela, nanomboka tamin’ny Mpanjaka Andrianjaka tamin’ny 1610 hatramin’ny andron-dRanavalona II ny taona 1896, izany hoe vakoka nandritra ny 300 taona mahery ka tsy tokony hovaina. Tena fanotana fady ny toerana masina io “coliseum Romanina” io, ka voalohany indrindra dia miamboho ny lapa besakana ny olona mipetraka eo, miamboho ny fasan’ny mpanjaka, miamboho ny alitaran’ny tempoly ao anaty Rova,... Tena fady amin’ny sotoavina sy ny fomba Malagasy izany na inona na inona lazaina, ka io dia tsy maintsy hesorina eo io. Ny mpitondra mandalo dia miserana, fa io tsy maintsy hesorina, hoy izy nanamafy, fa mitondra loza ho an’ny firenena toy ny tundra-drano efa nisy, ny covid-19,…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.