kolontsaina

Ndao hilalao andiany faha-4 Omena tombony koa ny ankizy any amin’ny faritra


  • Alatsinainy 21 Aogositra 2017

Nifarana ny sabotsy teo rehefa naharitra iray volana mahery ilay hetsika “Ndao hilalao” nokarakarain’ny fikambanana Lato tetsy amin’ny ANS Ampefiloha.

  Ankizy mihoatra ny 780 no nandray anjara tamin’izany raha araka ny fanazavan-dRtoa Rajaonarifetra Natolotra izay zary niombom-po sy nahay nifankatia tao anatin’ny fotoana fohy na dia samy hafa sokajy sy saranga aza. Ny 60 %-n’ireo ankizy ireo mantsy dia ankizy avy eny amin’ny Fokontany manodidina an’Ampefiloha avokoa, niampy ireo mpianatry ny sekoly tsy miankina. Efatra ka hatramin’ny 13 taona izy ireo izay marihina fa tsy nilalao fotsiny ihany fa nitondra voka-tsoa nody ihany koa tamin’ny alalan’ny fahaizany ireo karazana kilalao gasy, ny fomba fandrahoan-tsakafo…Betsaka raha araka ny fanazavan’ireo Ray aman-dReny nanan-janaka nampialana voly tao anatin’ny Ndao hilalao ny fiovana hita taratra teny amin’ireo zanany taorian’ny fisian’ity hetsika iray ity, indrindra fa amin’ny fampandehanana ny fiainana andavanandro. Fikasan’ny mpikarakara moa ny hitondra ny hetsika any amin’ny faritra amin’ny andiany faha-efatra hotanterahina amin’ny taona ho avy, hetsika izay tsiahivina hatrany fa natao hanampiana ireo ankizy tsy afaka manao vakansy any ivelan’Antananarivo.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT