NANTENAINA

Niverina ho mpanakanto, namoaka hira vaovao sy hitety Faritra


  • Alarobia 18 Desambra 2024

Niverina amin’ny maha-mpanankato azy indray Rakotonirina Nantenaina,

fantatry ny maro amin’ny anarana hoe : Nantenaina, mpanankato mampita hafatra mafonja amin’ny alalan’ny tonon-kira. Hira mahitsy, mivantana, mitantara ny zava-misy eny anivon’ny fiaraha-monina no nahafantarana azy nanomboka tamin’ny taona 1995. Taorian’ny nitantanany ny renivohitr’iToamasina nandritra ny 5 taona dia fantatra fa hiverina amin’ny zavatra tiany dia ny maha-mpanankato azy indray ny tenany ka ilay hirany vaovao mitondra ny lohateny hoe : miaramila no hisantarany izany izay efa nivoaka horonan-tsary sy feo. Aminy mantsy ny mpitandro ny filaminana no tena azo hambara ho tia tanindrazana. Na ny fiofanana mafy azony aza mantsy hoy izy dia miompana amin’ny fitiavana an’i Madagasikara, hafatra izay tiany hampitaina amin’ny Malagasy rehetra ihany koa. Ankoatra izay dia hisy ihany koa ilay “Nantenaina tours 2025” izay hitetezany faritra maro manerana ny Nosy, ao anatin’ilay loha-hevitra hoe : Revy tononkira. Ny faritra Atsinanana no hisantarany izany toy ny ao Soanierana Ivongo, Fenerive Est, Mahanoro, Vatomandry, Ambatondrazaka ary Moramanga. Tanjon’ity mpanankato iray moa ny mba hahafahany mifanatona amin’ireo mpankafy azy sy ireo mpanankato mitovy aminy indray izay tsy nataony ankilabao na dia tamin’ny fotoana naha-Ben’ny tanana azy aza.
Pati
Legende : Ny mpanankato Nantenaina hiverina amin’ny maha-mpanankato azy indray !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT