kolontsaina

Nantenaina Hihaona amin’ny mpankafy azy etsy amin’ny Telozoro


  • Zoma 08 Jona 2018

Taorian’ny fitetezam-paritra nataony dia hihaona amin’ireo mpankafy azy eto an-drenivohitra indray ny tarika Nantenaina anio zoma hariva.

Etsy amin’ny Telozoro Andrefanambohijanahary no hanatanterahana ny lanonana manomboka amin’ny 9 ora alina. Raha ny fanazavan’i Nantenaina, tokana ihany ity fampisehoana hotontosainy eto an-drenivohitra  ity. Hitohy any Ambatondrazaka sy Moramanga ny basesa tour hotanterahiny aorian’io. Tanjona ny hampahafantatra ity gadona iray ity sy ny tantarany amin’ny mpiara-belona hahafahana mamelona sy mamerina indray amin’ny laoniny ny kolontsaina Malagasy izay nambaran’i Nantenaina fa efa mitady ho very hasina mihitsy.10.000 Ar no fidirana ho an’ny tapakila tsotra, 15.000 Ar kosa ny famandrihan-toerana. Efa eo am-pikarakarana ny famoahana ireo hirany vaovao ihany koa ny tarika Nantenaina ankehitriny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT