kolontsaina

Nanisana Nosamborina ireo mpampiady akoho


  • Alarobia 15 Jolay 2020

Nampody olona tany amin’iny Nanisana iny ny polisy no sendra ireo olona mitangorongorona mijery adin'akoho.

 

 

Tsy nisy alaharo fa tonga dia nosamborin'izy ireo avokoa ireo olona miisa 08 nitondra ny akohony entina hampiadiana teny amin'ilay toerana.Tovolahy miisa 02 niaraka tamin’ny gitara indray avy eo no nifanena tamin'ny polisy tetsy Ivandry ary nilaza izy roalahy fa mba handeha hanala azy kely. Nentin'ny polisy avy hatrany tany amin'ny biraon'ny Kaomisaria ihany koa ireto "mpanala azy "hafa kely ireto.Antony nisamborana azy ireo moa raha tsiahivina ny fanohizany hatrany ny fiainana andavanandro toy ny teo aloha na dia efa ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana aza isika noho ny fiparitahan’ny tsimok’aretina COVID 19. Maro ireo olona efa namoy ny ainy ka tsy manaiky lembenana amin’izany intsony ny mpitandro ny filaminana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT