Naneho ny alahelony i Shyn

Tsy hisy ny «Makua Festival Music» amin’ity


  • Talata 03 Jona 2025

Volana maro niandrasana ny fihaonana sy ny mety hazahoana ny «autorisation»

na alalana momba ity seho ara-kolontsaina «Makua Festival Music», andiany faharoa ity, hoy ny mpanakanto Shyn. Tsy noraisina izahay, hoy izy. Tsy nohenoina izahay. Ny tanjona dia tsotra. Hitondra ny anjara biriky amin’ny fampandrosoana ny tanàna hiombonana, ho an’ny tombotsoan’ny vahoaka no nanaovana azy ary hinoako fa nety taminareo vahoaka rehetra na ny mpiavy na ny tompon-tanàna. Tsy mora ny fanomanana sy ny vola ary hery ilaina amin’io hetsika io nefa noho ny fitiavana dia miezaka izahay. Maro ianareo no niandry ny daty sy ny rehetra. Eto izahay mpikarakara dia maneho ny fialan-tsiny aminareo mpiara-miasa rehetra fa tsy hisy ny «Makua Festival Music» noho ny tsy fahazoan-dalana. Hisaoranay anareo mpiara-miasa niandry ary tsy mamela anay irery, hoy hatrany i Shyn naneho ny alahelony satria dia tsy hisy aloha izany ity hetsika ity amin’ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT