kolontsaina

Naivo Raholdina sy ny FI.Mpi.Dimy Nanandratra ny tenin-dreny niaraka tamin’ny UNESCO


  • Talata 22 Febroary 2022

Ho fanamarihana ny andro iraisampirenena ho an'ny tenin-dreny dia nisy ny korana nataon’ny avy eo anivon’ny FI.Mpi.Dimy na Fikambanan'ny Mpikabary ety amin'ny Boriborintany fahadimy,

izay tarihin'ny Solombavambahoaka, Naivo Raholdina, tetsy amin’ny Fanantenana mahatehonina, Ambohidahy Ankadindramamy, omaly. Ity depiote ity moa dia sady mpikabary akademisianina no mpanoratra ary efa 12 isa mahery ny boky nosoratany momban'ny kabary, hoy ny fanazavana. Nanandratra ny tenin-dreny teny an-toerana niaraka tamin’izy ireo moa ny sekretera jeneralin'ny sampana miahy ny kolontsaina eo anivon’ny firenena mikambana na UNESCO, Manda Ravelojaona, ary nanamafy fa tombony mampifanakaiky sy mampitakosona ity depiote ity amin'ny vahoaka ny fandalany ny maha malagasy amin'ny fanomezan-danja ny tenin-dreny. Nifanindran-dalana tamin'ity andro iraisampirenena ho an'ny tenin-dreny ity ny faha 15 taonan'ny fikambanana mpanao asa soa Fanantenana FAFI-5, izay ity depiote ity hatrany moa no filoham-boninahitry ny fikambanana ary ny vadiny, Hanitriniala Raholdina, no filoha. Ankoatra ny vola an-tapitrisa efa lanian'izy mivady hanampiana ireo mahantra dia nambaran'ity depiote ity koa omaly fa hanampiana ny sahirana eny amin'ny boriborintany fahadimy ny vola miditra amin'ity trano fandraisam-bahiny Fanantenana Mahatehonina ity, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
Legende: Naivo Raholdina sy ny sekretera jeneralin’ny UNESCO
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT