kolontsaina

Naivo Raholdina “Fototra ho an’ny fampandrosoana ny teny Malagasy”


  • Talata 14 Jona 2022

Isan-taona dia manamarika ny iray volan'ny teny Malagasy ny fitondram-panjakana ka ny volana jona no fanatanterahana izany,

hoy ny fampitam-baovao voaray. Samy mankalaza izany avokoa ny fikambanana rehetra misahana kolontsaina, isany ny HAVATSA-UPEM, izay fikambanana poeta sy mpanoratra Malagasy ary mankalaza ihany koa ny faha 70 taona nijoroany. Isaky ny alahady faharoa izay fivoriamben'ny mpikambana dia misy foana ny famelabelarana hataon'ny mpikambana anatin’ilay fandaharana " Hiresahako aminao" ka ny alahady teo dia ny Solombavambahoaka Naivo Raholdina, amin'ny maha mpanoratra azy no nitondra ny lohahevitra hoe "Ny lahabolana, hanitry ny fampandrosoana sy ny fivoarana ara-tsaina". Nazavainy tamin'izany fa ny teny malagasy izay fampitan-kafatra mora azon'ny Malagasy amin'ny alalan'ny "kanto" no fitaovana iray entina hanentanana sy ampahafantarana ny tetikasam-pampandrosoana sy ny vina rehetra entina manatsara ny fiainan’ny mponina eny anivon'ny fiarahamonina ary io asa soratry ny mpanoratra sy ny poeta ary ny mpikabary io no mampivoatra hatrany ny toetsain’ny tsirairay ho any amin'ny tanjona tratrarina ka tonga amin'ny fampandrosoana ny firenena, izany hoe "fitaovana iray manampy ny rehetra, indrindra, ny fanjakana ny "lahabolana" na am-bava na an-tsoaratra izay adikantsika Malagasy koa hoe literatiora. Araka izany dia tsy misy afa-tsy ny teny Malagasy izay mandrafitra ny asa soratra amin'ny teny Malagasy no hany fototra iray haingana ho an'ny fampandrosoana. Nahaliana an'ireo mpikambana maro sy vahiny nasaina ny famelabelarana ka naharitra ora 3 ny fihaonana sy ny ady hevitra ary samy resy lahatra ny rehetra fa azo hatao tsara ny mampandroso sy manova toetsaina handroso amin'ny alalan'ny teny Malagasy mandrafitra ny lahabolana na literatiora, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
Legende: Naivo Raholdina mivady sy ny tompon’andraikitry ny Havatsa UPEM
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT