kolontsaina

Musical Marvel Competition Laharana faharoa i Betia


  • Alakamisy 19 Mey 2022

Ilay teratany Malagasy Betia Harimalala Rakotomananjo no nahazo ny laharana faharoa tamin’ilay fifaninanana iraisampirenena eo amin’ny mozika « Musical Marvel Competition », andiany faharoa.

Time to live”, izay no lohantenin’ny hira nandraisany anjara namaranana ity andiany ity ary efa azo jerena ao amin’ny tranonkalam-pifandraisana Youtube moa izany. Tsiahivina hatrany fa niisa 1.800 ireo mpihira avy amin’ny firenen-tsamihafa nandray anjara tamin’izao fifaninanana izao hatrany am-piandohan’ity andiany faharoa ity. Resy lahatra tamin’ity malagasy ity ny maro an’isa tamin’ireo mpijery saingy tsy niantefa tany aminy kosa anefa ny safidin’ireo mpitsara. Mitohy ny mozika, hoy I Betia, ary hivoaka tsy ho ela ny rakikira vaovao mitondra ny lohanteny hoe “Sahy”. Ny taona 2016 no namoaka ny rakikirany voalohany ity mpanakanto ity, raha tsiahivina hatrany.
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT