kolontsaina

“Musée de la photo” eny Andohalo Hitarina ny toerana fampiratiana


  • Alakamisy 07 Jolay 2022

Hitarina ny toerana hahafahana mampiranty sary eo anivon’ny “Musée de la photo” etsy Andohalo.

Ny mba hahafahana mampitombo ny isan’ireo mpitsidika hatrany amin’ny 20.000 isa no tanjona mandrapahatongan’ny faran’ny taona raha miisa 8.000 hatreto ireo mpitsidika, fanisana natao hatramin’ny volana Janoary no mankaty, raha araka ny fanazavan-dRtoa Helihanta Rajaonarison. Amin’ny alalan’ny fiaraha-miasan’ity musee ity sy ny orinasa Sogea Satom no hahafahana manatanteraka izany. Raha tsiahivina dia orinasa mpanao lalana… ny Sogea Satom. Miompana amin’ny fananganana sy fanamboarana foto-drafitrasa ny asa hataony, raha tsiahivina. Ny tokontany fampirantiana sary tantanan’ity musee ity izay manome lanja ny vakoka an-tsary araka izany ny asa hotanterahin’izy ireo, fiaraha-miasa haharitra 3 taona. Hitarina izany, hamboarina sy havaozina ihany koa hanomezana fahafaham-po ireo mpitsidika. Tsiahivina moa fa mivoha manomboka ny andro Talata ka hatramin’ny Alahady ny Musee. Miankina amin’ny salan-taonan’ny olona sy ny ankizy kosa ny saram-pidirana amin’izany.
Pati
Legende : Rtoa Helihanta, Rajaonarison, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Musee de la photo etsy Andohalo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT