kolontsaina

Musée de la photo Andohalo Hiaka-tsehatra i Mamisoa Razanajatovo rahampitso


  • Zoma 10 Martsa 2023

Mandalo eto Madagasikara Razajatovo Mamisoa, vehivavy teratany Malagasy manan-talenta amin’ny resaka hira nandeha nanatevina traikefa sy fahaizana tany am-pitandranomasina tany.

Tsy hijanona ho fahatsiarovana fotsiny izao fandalovany izao fa hisy ny fampisehoana goavana hotanterahiny rahampitso Sabotsy 11 Martsa eny amin’ny Musée de la photographie eny Andohalo. Hanomboka amin’ny 07 ora sy sasany maraina izany ka hatramin’ny 08 ora sy sasany maraina. Ny gadon-kira klasika , mélodie française, airs d’opéra no hoventesiny amin’izany ka izay vola rehetra azony dia entiny hanohanana ny ONG Le Lémurien niforona tamin’ny taona 1994. Antom-pijoroan’ity fikambanana ity raha tsiahivina ny hanampy ireo tena sahirana indrindra fa ireo vehivavy sy tanora miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra. Ankoatra ny resaka fanabeazana dia miantsehatra amin’ny resaka tontolo iainana ihany koa ny fikambanana. Tetikasa efa hiantsorohany ankehitriny ny hanamboatra trano ho an’ny tanora ao amin’ny kaominina ambanivohitra Antanetibe Mahazaza eny amin’ny lalan’ny atody. Tanjona ny hitazonana ireo tanora eny an-toerana hahay hiaina sy hivelona amin’ny zava-misy eny an-toerana fa tsy handeha hifindra monina any amin’ny toeran-kafa raha araka ny fanazavan’ny filohany Randrianarison Henry Tsoka.
Pati
Legende : Mamisoa Razanajatovo teratany Malagasy manam-peo sady manan-talenta
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT