kolontsaina

Mpitsabo nentim-paharazana “Misy ireo tsy tan-dalàna”


  • Alatsinainy 15 Jona 2020

Anaty fahamehana ara-pahasalamana moa isika ankehitriny ka maro ny zava-miseho, hoy ny filohan’ny fikambanam-pirenen’ireo mpitsabo nentim-paharazana, Josephin Andriandrainarivo.

  

 

 

Niteny ny filohan’ny repoblika fa sehatra lehibe azo iatrehana ny ady amin’ny Coronavirus ny fitsaboana nentim-paharazana. Marina izany ary mitombona amin’ny aretina rehetra satria voajanahary ny zava-maniry. 80%n’ireo zava-maniry manasitrana dia eto daholo. Ilaina ny fikarohana ireo zava-manirintsika ireo mialohan’ny hiononana amin’ny filazana avy any ivelany fa mbola tsy misy fanafany ny aretina iray. Tsy midika anefa izany fa tokony ho atao fa hoany fa hoany izany. Na inona tsinona ampiasaina rehefa tsy araky ny tokony ho izy no ampiasana azy dia misy voka-dratsy foana. Misy lalànany ny fitsaboana nentim-paharazana ary ny fikambanam-pirenena momba izany na ANTM dia ny fanjakana malagasy niara-niasa tamin’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana momba ny fahasalamana na OMS no nametraka azy. 17 isa ireo fikambanana mivondrona ato amin’ny ANTM hatreto. Misy ireo tsy tan-dalàna, hoy izy, ary misandoka andraikitra lasa dokotera vetivety eo anatin’ity sehatra ity ary mampiasa fitaovana tsy niofanana akory. Tsy manenjika olona anefa ny ANTM fa miady amin’ny fampanarahan-dalana satria raha misy maty amin’ireny fanafody na fitaovana nampiasaina amin’ny tsy tokony ho izy ireny moa izany dia ahoana, hoy hatrany izy ?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT