kolontsaina

Mpitsabo Malagasy FITRAMA Tsy miova ny fanafody, miditra amin’ny ara-dalàna


  • Alarobia 26 Aogositra 2020

Miroso amin’ny ara-dalana hatrany ny Mpitsabo Malagasy FITRAMA tarihin’ny tale jeneraliny Rafanomezantsoa Jean Nirina amin’izao.

 

 

 

Ankoatra ny fikarakarana ireo antontan-taratasy ara-panjakana dia hasiam-panavaozana hatrany ny fitaovana hampisaina, ny trano hiasana raha matihanina ihany koa ny mpiasa. Tsy latsa-danja amin’izany ny fampiharana ny etika sy ny deontolojikan’ny fitsaboana hanovana tanteraka ny fomba fijerin’ny olona ny fitsaboana nentim-paharazana. Misy mantsy ireo mbola mihevitra fa fikikisana tapa-kazo… ny fitsaboana nentim-paharazana. Fitsaboana amin’ny zava-maniry natoraly anefa izy io ka ho an’ny Fitsaboana Malagasy FITRAMA dia any Toliara, Farafangana, Morondava ary Antsiranana no toerana hakana ny fanafody. Ny enton’ireo zava-maniry ireo no hampiasain’ity ivon-toerana ity hitsaboana ny marary miaraka amina fangaro toy ny tantely izay mampiakatra ny hery fiarovana. Tsy miova ny fanafody hampiasainy araka izany. Nomarihin-dRafanomezantsoa Jean Nirina moa fa tsy mpitsabo ny tenany no sady tsy dokotera saingy miezaka mandraharaha ao anatin’izany sehatra izany kosa hanampiana ny mpiara-belona.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT