Anisan’ny raharaha nitana ny sain’ny maro teto amintsika ny lalana nodiavin’ny orinasa orinasa Mpitsabo Malagasy FITRAMA, tantanan-dRafanomezantsoa Jean Nirina.
Na dia teo aza anefa ny olana sy ny sedra nolalovany toy ny savorovoro sy ny didim-pitsarana dia nivoaka ho mpandresy izy. Marobe ireo narary sitrana nahazo fahasoavana tamin’ny fanandratan’izy ireo ny fitsaboana Malagasy izay efa saika ratsy mihitsy ny fomba fijerin’ny mpiray Tanindrazana azy.
MAHENIKA FARITRA MARO
Vokatr’izay fandresena azon-dRafanomezantsoa Jean Nirina izay dia efa mahenika faritra maro eto Madagasikara ny orinasa Mpitsabo Malagasy FITRAMA ary efa eo ambany fitantanany avokoa. Fanontaniana napetrany araka izany ny hoe : lasa aiza avokoa ireo vondrona nanenjika sy nankahala ny FITRAMA hatramin’izay ? Maro ny lesona azo tsoahina tao anatin’ireny hoy izy dia ny fifotorana anaty fahamarinana. Nisaorany manokana ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tao anatin’izany izay manam-piniavana ny hampandroso ary nikitika ireo zavatra tsy voakitika hatramin’izay toy ny fitsaboana nentim-paharazana. Ny mampalahelo anefa hoy izy dia misy amin’ireo olona manodidina azy no tsy mieritreritra afa-tsy ny tombontsoany sy ny kapoakany. Tsy ny fahaizana irery no mikaonty anefa hoy izy rehefa manao zavatra fa eo ihany koa ny fahalalana mba tsy haharatsy fihafara.
MBOLA MISY NY TSINY SY NY TODY
Mbola mipetraka hatrany mantsy ny tsiny sy ny tody hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina rehefa manao zavatra. Tsy misy ratsy mivaly any an-danitra izany hoy izy fa eto an-tany ihany izany dia mivaly. Ny soa sy ny tsara hatao ihany koa hoy izy dia levenam-bola. Ho azy manokana dia zavatra telo lehibe no nanamarika azy teo amin’ny fiainany ka nidirany am-ponja. Teo ny fiarovany ireo vahoaka madinika teny amin’ny tsenan’ny tantsaha Anosizato. Teo ihany koa ny trano hazo natakalo trano biriky teny Andrefanambohijanahary ary ny fiarovana ny kianjan’Anosizato izay nidirany am-ponja farany teo. Ireny rehetra ireny hoy izy dia tsy nahakivy ahy. Tsy ny fanangonan-karena rahateo no tena fiainana hoy izy fa ny fiaraha-monina sy ny fanajana ny maha-olona izay handraisana tso-drano, mivadika ho hery lehibe hanosika anao. Sarotra hoy izy mandevina ny zava-bita ary mbola misy olona mivavaka mangina ho azy any. Misarika ny tsirairay izy araka izany mba tsy hanositosika ny ondry botry na hanambanimbany ny hafa. Mety misy olona iray tsy hampoizina mantsy hoy izy mety ilanao vonjy any aoriana antony nahatonga ilay fitenenana hoe : ny lalana tsy hasian-dratsy mbola hiverenana.
POLITIKA
Tsy adinony nandritra izany ny niresaka momba ny politika misy eto amintsika dia ny hery an-kavia sy ny an-kavanana ary ny hery afovoany. Be loatra ny mpanao politika eto Madagasikara hoy izy saingy tsy mitovy hevitra izy ireo na samy mpanohitra na samy mpomba ny fitondrana. Samy ilaina avokoa anefa ireo hery telo ireo hoy izy raha tiana ny hampandroso ny firenena saingy ny manahirana dia ny fisian’ireo mivadibadika toy ny tanalaha. Nampita hafatra ho an’ireo mpanenjika sy mpitsikera fiainan’olona ihany koa izy. Aleo jerena tsara hoy izy ny fandrosoanao sy ny fianakaviana ary ny fiaraha-monina misy anao vao manenjika ny hafa ianao. Tafiditra ao anatin’izany hoy izy ny fijerenao ny zava-bitanao. Sarotra mantsy hoy izy ny mandrefy ny zava-bitan’ny hafa rehefa mbola tsy hitanao ny anao ary tadidio fa ny olona henjehinao tafita lavitra noho ianao.
FACEBOOK
Tsy adinony nandritra izany ny naneho hevitra mikasika ny tambajotran-tserasera Facebook izay nomarihiny fa tena manimba ny soa toavina Malagasy tokoa. Ny 95 %-n’ny zavatra lazain’ny facebook mantsy hoy izy dia lainga avokoa miampy fampianaran-dratsy. Vokatry ny tsy fahazakan’ny olona an’io hoy izy no mahatonga ny fanolanana, ny herisetra…. izay tena mirongatra tokoa eto amintsika. Tokony ho tonga saina avokoa araka izany ny tsirairay hoy izy ka samy hijery izay mahasoa azy. Mikasika ny fikambanana HAFARI Malagasy manokana moa dia nomarihiny fa tsy nisy famatsiam-bola aza io dia tsara fototra ka mbola mijoro hatrany. Toraka izany koa hoy izy ny Mpitsabo Mlagasy FITRAMA izay nomarihiny manokana fa mitana ny laharana voalohany tamin’ny fanandratana ny vita Malagasy taorian’ny antso nataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Notsiahiviny manokana moa fa mahatsiaro ho sambatra izy tamin’ny zava-bitany teto amin’ny firenena ary tsy hijanona izy raha mbola misy ihany koa ny azony hatao hanampiana ny mpiara-belona. Tsy volabe hoy izy no lova hapetrako ho an’ny taranako fa ny fijereko ny fiaraha-monina misy ahy izay tsy maintsy hisy hamaly soa ny taranako rehefa aoriana. Anisan’ny olona nopotehina aho hoy izy teto amin’ny firenena fa tsy kivy ary fa vonon-kitraka ary vonon-kandresy hatrany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.