Miezaka hatrany ny hanatsara ny sehatry ny fitsaboana izay sahaniny ny orinasa Mpitsabo Malagasy FITRAMA tantanan-dRafanomezantsoa Jean Nirina.
Nanokatra ivon-toerana fitaizam-batana antsoina hoe : Dream fitness indray ny tenany; omaly tantanan’ny Coach Nasandratra Rico, atletan’ny federasiona Malagasin’ny Body Building. Omaly no nanokafana tamim-pomba ôfisialy ny tetsy amin’ny 67ha misy ny foiben’ny Mpitsabo Malagasy FITRAMA raha ho avy tsy ho ela ny anjaran’i Toamasina sy Toliara.
MITSABO IHANY KOA
Sehatra roa mifameno tsara entina hitaizana sy hanatsarana ny fahasalamana ny an’ny orinasa Mpitsabo Malagasy FITRAMA sy ny Dream Fitness raha araka ny fanazavan’ny Coach Nasandratra Rico, omaly. Anisan’ny manampy ireo olona maty hozatra ohatra ity toerana fitaizam-batana ity. Toraka izany koa ny diabetika sy ny asmatika; ireo taizan’ny aretina tosi-dra…. Manana sale de musculation araka izany izy ireo ho an’ireo te-hanabokona, misy ihany koa ny fitness ho an’ireo te-hampihena na hanakely vatana na hitazon-danja. Misy koa anefa ny cardio…. Azo hatao tsara hoy i Coach Rico ny manalehibe vatana ho an’ireo te-hanao izany izay tsy manangona tavy akory sanatria fa manabokona ny hozatra. Ohatra noraisiny ny tenany izay 42 kg no niandohany saingy efa milanja 75 izy ankehitriny. Ho an’ireo olona matavy milanja 115 kg ihany koa hjoy izy dia azo hatao tsara ny mampihena azy hatrany amin’ny 75 kg ao anatin’ny 2 volana sy tapany. Na izany aza hoy izy dia mila fanadihadiana manokana ny toe-batan’ilay olona toy ny aretina mitaiza azy, diabetika ve izy, misy tosi-dra ve ? misy allergie ve? firy taona ?, manao palpitation ve ?....
SADY NUTRITIONNISTE
Tsiahivina moa fa sady nutritionniste ny Coach Nasandratra Rico. Manoro hevitra ara-tsakafo ireo olona tonga mikotraka ao aminy izy araka izany. Mampanao regime ho an’ireo mila izany ihany koa na vehivavy na ankizy na lehilahy na olon-dehibe. Nomarihin-dRafanomezantsoa Jean Nirina, tale jeneralin’ny Mpitsabo Malagasy FITRAMA moa fa anisan’ireo olona namorona teto amin’ny firenena hatrany ny tenany ka raha mbola misy ny azo hatao hanampiana ny hafa dia hataony izany. Na ny mpivarotr’anana aza moa maninona raha mpiana hoy izy. Anisan’ny efa nahafantarana azy ohatra ny fanampiana ireo olona tsy nanana tany te-hanana tany. Teo ihany koa ireo te-hahay hikirakira ny resaka solosaina amin’ny alalan’ny informatika….Tsy voatery ho vola foana no fiainana hoy hatrany ity tale jeneralin’ny FITRAMA ity. Notsiahiviny manokana moa fa natao hanampiana ireo tanora lahy sy vavy tsy ampy fialam-boly ihany koa ny toerana tahaka itony hisorohana azy ireo tsy handray zava-mahadomelina na hanaotao foana.
AZO ALOHA TSIKELIKELY
Mikasika ny orinasa Mpitsabo Malagasy FITRAMA manokana dia marobe ireo zava-baovao nentiny. Anisan’ireny ny fisian’ilay fanafody vaovao antsoina hoe : “Sinda rapida” manala ny aretina tazomoka eo noho eo. Toraka izany ihany koa ny fandraisana an-tanana sy fitsaboana ireo olona lasibatry ny homamiadana, tratry ny aretin’ny prostate, ny fibrome ao anaty kibo ho an’ny vehivavy. Mba hisian’ny fifampitsinjovana anefa dia azo aloha tsikelikely ny saran’ny fitsaboana fa tsy voatery hanana bolongam-bolabe. Miavaka ihany koa ny fandraisana ireo marary satria natao manara-penitra izany. Tanjona ny hitovizany amin’ireny tobim-pitsaboana tsy miankina manara-penitra ireny ( Clinique). Marihina moa fa mpitsabo manana taratasy ara-dalana avokoa no miasa ao amin’ny orinasa Mpitsabo Malagasy FITRAMA. Tsy misy atahorana ihany koa ny fanafody izay vokariny satria dia manara-penitra izany no sady ampy tsara. Hatreto dia ny orinasa Mpitsabo Malagasy FITRAMA eny amin’ny 67 ha, Anosizato, Imerintsiatosika, Toliara ary Toamasina no tantanan-dRafanomezantsoa Jean Nirina. Ny laharam-pinday 034 82 780 44 na ny 033 67 060 08
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.