kolontsaina

Mpitsabo Malagasy FITRAMA “Mirona tanteraka amin’ny fitsaboana nentim-paharazana ny Malagasy”


  • Alarobia 29 Jona 2022

Tontosa soamantsara ny fitsidiham-paritra na “Tour de Mada” nataon’ny fikambanan’ny mpitsabo Malagasy FITRAMA izay nofaranana tao Antsiranana, Ambanja,

Andapa sy ny ambiny rehetra, hoy ny tatitr’izy ireo tetsy amin’ny foibeny etsy 67ha atsimo omaly. Hita ho mirona tanteraka amin’ny resaka fitsaboana nentim-paharazana ny malagasy, hoy ny filohan’izy ireo, Jean Nirina Rafanomezantsoa. Ireo aretina tsy nahitana fanafana, ny aretina mikasika ny firaisana ara-nofo, ny aretina tsy mandalo fandidiana no tena hankafizan’ny olona rehetra ity resaka fitsaboana nentim-paharazana ity. Ny atao hoe marary moa dia manana taova matory. Mila manana traikefa sy fahaizana noho izany ireny olona miaina anaty fitsaboana nentim-paharazana ireny. Misy ra, rano, hozatra, taolana tsinona ny vatan’olombelona. Misy faritra kitihana noho izany mifandraika amin’ireny ahafahana mamerina amin’ny laoniny ny taova. Misy olana goavana io resaka firaisana ara-nofo io eto Madagasikara ka tena ilaina ny fanabeazana ara-pananahana na ny antsoina hoe “Education sexuelle” satria afaka manao izany foana mandra-pahafatiny ny olombelona nefa mety misy ny olana ara-pahasalamana ilana izay fanabeazana izay, hoy hatrany ny FITRAMA.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT