kolontsaina

Mpitsabo Malagasy FITRAMA Manohitra ny fiarahan’ireo mitovy fananahana


  • Talata 03 Novambra 2020

Manohitra amin’ny heriny rehetra ny fiarahan’ireo olona mitovy fananahana toy ny lahy samy lahy na ny vavy samy vavy ny orinasa Mpitsabo Malagasy FITRAMA.

 

 

 

Amin’izy ireo mantsy dia zavatra voajanahary efa nataon’Andriamanitra ny fiarahan’ny lahy sy ny vavy ka tsy tokony ovaina na havadika. Anisan’ny nanomezana fiofanana ireo mpikambana ao amin’ity orinasa ity izany ny alahady teo teny Ambohimangakely. Nahatonga solontena avokoa ireo mpikambana maro manerana ny Nosy, notarihin-dRafanomezantsoa Jean Nirina. Ankoatra izay dia nomena fiofanana mikasika ny firaisana ara-nofo eo amin’ny mpivady ihany koa ireo mpikambana hahafahany mizara izany traikefa izanyamin’ireo manodidina azy. Ankehitriny mantsy dia anisan’ny olana fototra miteraka ny fampirafesana, ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo, ny fangatahana fisaraham-panambadiana eny amin’ny tribonaly ny tsy fahaizan’ny mpivady mifehy ity resaka firaisana ara-nofo ity. Tsy ny mba hahazoana zaza fotsiny ihany mantsy no hanaovana azy io fa ny mba hahazoan’ny mpivady hafinaretana ihany koa tsy hivoahany any ivelan’ny tokantrano hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina. Tanjon’izy ireo ny hahafahana mampihena ny tahan’ireo olona tonga mangataka fisaraham-panambadiana eny amin’ny tribonaly amin’ny alalan’ny fampianarana ny mpivady. Tsy mahamenatra ny resaka firaisana ara-nofo hoy hatrany ny fanazavan’ity tale jeneralin’ny FITRAMA ity fa zavatra natoraly tokony hohain’ny mpivady rehetra noho izany tokony horesahina foana rehefa misy ny olana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT