kolontsaina

Mpitsabo Malagasy FITRAMA Hanandratra hatrany ny vita Malagasy


  • Alarobia 30 Septambra 2020

Efa tratra ny tanjona amin’ny fanandratana ny vita Malagasy ho an’ny Mpitsabo Malagasy FITRAMA tarihin’ny tale jeneraliny Rafanomezantsoa Jean Nirina.

Na izany aza dia mbola hiezaka hatrany izy ireo, izay ahitana mpitsabo nentim-paharazana maro mahatratra hatrany amin’ny 15 isa isaky ny toeram-pitsaboana iray manambatra ny traikefa hananany sy ny fahaiza-manaony. Toerana maro no efa ahitana azy ireny eto amintsika izay efa tantanan-dRafanomezantsoa Jean Nirina 100 %. Notsindriany fa tsy mpitsabo izy ary tsy ho mpitsabo mandrakizay saingy miezaka ny manatsara sy mandrindra ity sehatra ity kosa mba hanara-penitra izany ary tsy ho mena-mitahy amin’ny any ivelany. Manitatra ny ambahindahiny hatrany izy ireo araka izany ka anisan’ireny ny any Ambatolampy, Morondava, Ambositra, Ambatondrazaka, Mahanoro, Vatomandry, Port Bergé, Antsohihy, Tanamakoa Toamasina, Arivonimamo, Imerintsiatosika, Sabotsy Namehana, Tsiroanomandidy… Nomarihin-dRafanomezantsoa Jean Nirina hatrany moa fa olona marobe no efa sitran’ny fanafody vokarin’izy ireo izay vita avy amin’ny zava-maniry avokoa. Anisan’ireny ny aretim-po efa mivontovonto, ny prostaty, ny diabeta.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT