kolontsaina

Mpitsabo Malagasy FITRAMA 67 ha Nisy nanafika, voatsindron’antsy ny mpiambina


  • Alatsinainy 31 Aogositra 2020

Nisy nanafika ny zoma hifoha sabotsy teo ny biraon’ny Mpitsabo Malagasy FITRAMA etsy amin’ny 67 ha, tantanan-dRafanomezantsoa Jean Nirina

 

 

 

. Tokony ho tamin’ny 10 ora alina tany ho any no nitrangan’izany ka vatan-dehilahy miisa 8 no indray nanafika ireo mpiambina roalahy, niambina ity orinasa iray ity. Avy hatrany dia notsindroniny antsy izy roalahy ireo raha ny vaovao no sady nanaovany rahom-bava ihany koa hoy ny fanazavana toy ny hoe : aseho izay maha-mpiambina ny FITRAMA an’ialahy isany ! Tafaporitsaka moa ny iray tamin’ireo mpiambina raha ny iray no tena nifanandrina tamin’ireo mpanao ratsy izay tena voa mafy tokoa ka voatery naiditra hopitaly. Faritra telo moa no lasibatry ny antsy tamin’ity mpiambina iray ity toy ny sandriny , ny andriny, ary ny hatony. Efa misokatra ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana.

 

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT