MPITSABO MALAGASY FITRAMA

5 taona nikarakarana ny fahasalamam-bahoaka…


  • Alatsinainy 08 Jolay 2024

Dimy taona ny nikarakarana ny Fahasalamam-bahoaka ny Mpitsabo Malagasy Fitrama,

tarihin’ny Filoha tale jeneraliny Rafanomezantsoa Jean Nirina. Fanamby hapetrany ny hilofo hatrany sy hikaroka ireo akora voajanahary amin’ny alalan’ireo karazana zava-maniry mampiavaka an’i Madagasikara hitsaboana ireo tsy salama. Lohalaharana amin’izany ireo tratry ny gripa mahery misy amin’izao vanim-potoanan’ny ririnina izao. Betsaka ireo olona toratorana eny an-dalana hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina mila fitsaboana maika. Ny fampiakarana ny hery fiarovana ihany hoy izy no hahafahana miady amin’izany. Diso be loatra mantsy hoy izy ireo karazana akora simika hatobaky ny sasany aty amin’ny tany mahantra toa an’i Madagasikara ka ilana fitandremana mafy. Tsy misy afa-tsy ny fihinana sakafo natoraly ihany hoy hatrany izy no tena vahaolana. Ankoatra izay dia nasiany resaka ihany koa ny firongatry ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo ankehitriny. Tsy fakana fahafinaretana ny fanaovana izany etsy sy eroa hoy izy ary tokony ho an’ny mpivady irery ihany. Nomarihiny manokana moa fa mandray an-tanana ireo olona tratry ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo ihany koa ny Mpitsabo Malagasy FITRAMA.
Pati
Legende : Mitsabo amin’ireo akora voajanahary maro samihafa ny Mpitsabo Malagasy FITRAMA !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT