Mitana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fisian’ireo mpilatsaka an-tsitrapo, raha araka ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny serasera sy ny fifandraisan-davitra Atoa Guy Laurent Ramanakamonjy.
Ho antsika eto Madagasikara mantsy dia saika izy ireo avokoa no manampy amin’ny asa fanabeazana tsy handoavana karama, mijery ireo olona lasibatry ny loza voajanahary… Tamin’ny taon-dasa fotoana izay nampirongatra ny aretina pesta, ohatra, dia saika mpilatsaka an-tsitrapo avokoa no nandeha nitety tokantrano nampianatra ny mponina ny amin’ny fiarovana tokony hatao sy ny fanatonana tobim-pitsaboana raha vantany vao misy tranga hafahafa. Nankalazaina omaly ny andro maneran-tany ho an’ny mpilatsaka an-tsitrapo. Filaharam-be niainga avy eny Analakely, nihazo an’Anosy no nentin’izy ireo nanamarihana azy io omaly. Nivoitra nandritra izany fa efa mahatratra 609.000 ireo mpilatsaka an-tsitrapo teratany Malagasy miasa eto amintsika ankehitriny. Ny 54 %- n’ireo dia vehivavy avokoa, raha eo amin’ny salan-taona antonony kosa ny 39%. Tsiahivina moa fa tamin’ny taona 2015 no nanomboka nanome lanja ny mpilatsaka an-tsitrapo isika eto Madagasikara, araka ny lalàna laharana 015. Vao tamin’ny filankevitry ny minisitra ny talata teo no nivoaka ny fampiharana izany hanjary hanan-kery ho fanatsarana ny fiainan’ny mponina amin’ny andavanandro.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.