kolontsaina

Mpilalao sarimihetsika “Toherinay ny famotehana ity tontolo ity”


  • Alatsinainy 08 Aprily 2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny sabotsy teo ireo mpilalao sarimihetsika toy ny mpaka sary, ny mpanao jeux video, ny video klioba mpikambana eo anivon’ny OMACI na ny “Office Malgache du Cinéma”.

 

 

 

 Manohitra amin’ny heriny tanteraka ny fangatahana nataon’ny sendikan’ny artista izy ireo izay mangataka ny hanafoanana ireo lalàna mifanitsaka mifehy ny OMDA sy ny OMACI. Tafiditra ao anatin’izany ny minisiteran’ny kolontsaina izay nambaran’Atoa Herimanantsoa Mahefa Serge tompon’andraikitra ao amin’ny OMACI fa tena nanao vava tsy ambina tamin’ny alalan’ny sekretera jeneraliny tokoa nanao tery vay manta azy ireo ny amin’ny tokony hanekeny izany. Notsindrian’Atoa Gege Rasamoely anefa fa efa tena valalanina ireo mpilalao horonantsary Malagasy vao nahavita nanao io lalàna mifehy azy io ary nandany izany teny anivon’ny Antenimieram-pirenena ka tsy hanaiky velively ny hanafoanana azy io ny tenany. Notsiahiviny manokana fa tamin’ny taona 1910 no tonga voalohany teto amintsika ny camera izay nezahina nomena lanja. Rehefa nisy anefa ny cinema dia maty tampoka sy nijanona indray nandritra ny 20 taona koa ankehitriny ve efa mba miharin-doha dia tadiavina hopotehina indray ? Mangataka fihaonana maika amin’ny filoham-pirenena ankehitriny izy ireo. Mangataka ny tsy hijerena tavan’olona na resa-politika amin’ity raharaha ity ireo mpikambana eo anivon’ny OMACI.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT