kolontsaina

Mpilalao sarimihetsika sy ben’ny tanàna Hanao ady baolina kitra ao Imerintsiatosika


  • Zoma 10 Septambra 2021

Mikarakara lalao baolina kitra goavana ny alahady izao ny avy eo anivon’ny trano mpamokatra sarimihetsika Outline movie.

 Araka ny fanazavan’ny mpitantana sady mpamokatra eo anivon’ity orinasa ity, Sitrakiniaina Hanitriniala Raharison, dia fampisehoana io. Hivondrona ao anatin’ny Tilitilio FC ireo mpilalao sarimihetsika ka hifandona amin’ny fikambanan’ny ben’ny tanana eo anivon’ny distrikan’Arivonimamo, hoy izy. Izany hoe ny ben’ny tananan’Arivonimamo, Imerintsiatosika, Alakamisy sy ny manodidina dia ho tonga ao daholo. Amin’ny maha lalao baolina azy dia tena baolina no atao fa hisy koa ny mbola tsy nisy hatramin’izay dia ny hoe hiakatra kianja ny mpilalao sarimihetsika. Ao ry Rason, ireo mpilalaon’ny Tilitilio sy izay rehetra nandalo tao amin’ny Outline movie. Ao Imerintsiatosika, ao amin’ny Terrain Dago, noho izany, ny fotoana amin’ny alahady izao. Tanjona ankoatran’ny fitadiavam-bola ny fampiraisana ihany koa ireo ben’ny tanana izay samy manana ny firehana politika misy azy. Entina hitety an’I Madagasikara ny hetsika ary hisy aorian’izao ny hatao any Toamasina. “Bol rond versé” moa no lohatenin’ilay izy. Ireo depiote indray no hasaina amin’ny manaraka, hoy hatrany ny fanazavana. J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT