kolontsaina

Mpikamban’ny komity siantifika Mila manazava sy havoaka ho fanta-bahoaka


  • Alakamisy 28 Mey 2020

Adihevitra tato ho ato ny resaka komity siantifika ambaran’ny Fanjakana fa mpanome alalana sy fankatoavana amin’ireo zavatra ataony miteraka adihevitra goavana amin’izao fotoana izao.

 

 

 

 

Hita io na aty amin’ny lafiny ara-pahasalamana na amin’ny lafiny vakoka sy kolontsaina, toy ny fananganan-javatra eny amin’ny Anaty Rovan’Antananarivo. Mandeha ny tambavy sy ny andrana tsindrona, dia hoe efa nahazo alalana tamin’ny komity siantifika io, tahaka izany ihany koa ilay fananganana “colisée”. Iny efa nisy vaovao nivoaka tamin’ny fampahalalam-baovao vahiny iny ny fialan’ny Pr Rafolo Andrianaivoarivony Filohan’ilay komity manome alalana ny fanamboarana sy ny zavatra tian’ny fitondram-panjakana, saingy nalamina ny resaka dia hoe nijanona indray. Nisy resaka nivoaka hatramin’ny hoe tsy nandalo io komity io ny resaka “colisée” ankoatra ny resaka fandrafetana ireo komity toa misy fitanilana. Olona iray no fantatra ao anatin’ilay komity ambara fa mpanapa-kevitra sy mpanome alalana, dia ny Pr Rafolo, izay nambaran’ny fanjakana fa tsy niala, ary tsy mbola nandresam-peo izy tenany. Tena mahaleo tena tokoa ve ireo ao anatin’ny komity siantifika sa ataon’ny fanjakana fitaovana? Ilaina ny fanazavana bebe kokoa avy amin’ireo komity na amin’ny resaka vakoka na ny ara-pahasalamana. Mila ampahafantarina ny vahoaka ireo mpikambana hoe iza avy, mba hitsaran’ny Malagasy azy ireo amin’ny fanapahan-kevitra hanomezany alalana ny fanjakana eto amin’ny firenena izay tena zavatra goavana, izay mety hisy ny mahasoa ny tanindrazana fa mety hisy ihany koa no azo hiadian-kevitra ny mety ho fiantraikany ratsy.

 Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT