kolontsaina

Mpikabary katolika Miampy 767 isa


  • Alatsinainy 10 Septambra 2018

Lanonambe tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina ny sabotsy teo ho an-dry zareo avy eo anivon’ny fikambanan’ny mpikabary katolika eto Madagasikara na ny Mpikalo satria dia niampy 767 isa ireo mpikabary vaovao navoakan’ny fikambanana.

 

 

Araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana, Rakotomalala René, dia 9 volana no nanofanana ity andiany antsoina hoe : “Ramose Botovasoa” ity ary nianarana tao anatin’izany ireo teknikan-kabary rehetra na an-kafaliana na an-karatsiana. Latsaky ny 13 taona dia efa afaka mianatra kabary saingy nomarihin’ity filoha ity kosa anefa fa natao hiofana sy hizatra ihany izy ireny aloha mandra-paha zokiolona azy hanajana ny soatoavina hoe: “Manan-joky afak’olan-teny.”. Rehefa tena tsy fidiny hoe : tsy misy zokiolona afaka mandray fitenenana intsony, hoy izy, vao tokony hiteny ny zandriolona. Mahavelombolo, hoy hatrany ity filoha ity, ny mahita fa miha liana amin’ny kolontsaina Malagasy, indrindra ny kabary ny ankamaroan’ny Malagasy ankehitriny.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT