kolontsaina

Mpankafy « Jazz Malagasy » Miha tanora hatrany


  • Alakamisy 19 Aprily 2018

Ny faha 30 ny volana aprily izao moa no andro iraisam-pirenena ho an’ny fomba filalao mozika Jazz na ny « Jazz day », ary toy ny isan-taona dia isan’ny mandray anjara amin’izy io koa isika eto Madagasikara. Miha tanora hatrany ireo mpakafy, hoy ireo mpilalao.

 Ny 25 aprily ka hatramin’ny 5 may izao moa dia hisy ny hetsika maro samihafa izay hanamarihana sahady ity fotoan-dehibe hanasongadinana ny fisian’ny loharanon-gadon-kira mainty hoditra ity. Fampisehoana, atrikasa ary ady hevitra an-trano mihidy mihitsy, dia samy hanenika eto Antananarivo amin’ireo fotoana ireo.  Antanimena, Antsahamanitra, Faravohitra, hatrany Ampefiloha, hoy ny mpikarakara dia tsy maintsy handalovan’ireo gadona vokatr’ity fomba filalao mozika ity toy ny Gospel sy Free Jazz ary ny Jazz rock. Tsiahivina hatrany fa tanjon`ny mpikarakara ny hampiroborobo ny mozika Jazz, ny hisian`ny fifanakalozana eo amin`ny samy ``mpilalao``, ny hanatona akaiky kokoa ny mpankafy mozika.


J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT