kolontsaina

Mpanjakan’Antemoro Ampanabaka Nasandratra ny andriana Rakotobenarivo


  • Talata 27 Martsa 2018

Efa feno telo volana katroka no tsy nananan’ny foko Antemoro Ampanabaka mpanjaka taorian’ny fiambohon’ny Mpanjaka Rakotobenarivo ny volana desambra lasa teo nasandratra ny andron’ny zoma 16 martsa teo,

 ho eo amin’ny toeran’ny mpanjaka manapaka ny fanjakan’ny Antemoro Ampanabaka ny andriana Rakotobenarivo tao an-tanànan’i Seranambe kaominina Vohindava fileovana Vohipeno faritra Manakara. Mitondra ny anarana fahadimy amin’ireo mpanjaka nifandimby ity nasandratra ity ary mifehy ny iray amin’ireo ankolafim-panjakana telon’ny Antemoro avy amin’ny fanjakan-dRatsitakonarivo. Anisan’ny nampiavaka ity mpanjaka ity ny fomba fifidianana azy, ankoatra ny maha taranaka avy amin’ireo nialoha azy mantsy dia nifampierana tamin’ireo vahoaka entiny mihitsy miaraka amin’ireo fianakaviany ny fifidianana. Nampiavaka ny lanonana ny fanatrehan’ireo solontenan’andriana avy amin’ny foko  21 notarihin’ny filoha lefitry ny MA.MA.FI (Malagasy Mampiray Firenena) Robert Randrianantoandro sady mpifehy ny hasim-piandrianana eto Imerina Manamafy ny rohim-pihavanana rahateo ny fifandraisana akaiky tamin’ny mpanjaka teto anivon’ny nosy sy ny tamin’ny faritra atsimo atsinanana tamin’ny fanjakan’Andrianamponimerina. Anisan’ny nanatrika ny fanandratana ny Mpanjaka Rakotobenarivo ny lehiben’ny faritra Manakara, Rémi Vincent Andrianjanaka izay nanolotra omby iray tamin’ny anaran’ny fitondram-panjakana ho mariky ny fiaraha-miasa amin’ny fitondrana roa tonta.

Ntsoavina Evariste


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT