kolontsaina

Mpanendaka eto Antananarivo Nahavitan’ny MIP horonantsary vaovao


  • Zoma 29 Jona 2018

Hivoaka manomboka anio zoma 29 jona etsy amin’ny Plaza Ampefiloha ilay horonantsary mitondra ny lohateny hoe : “Mpanendaka” novokarin’ny Madagascar Island Pictures ( MIP).

 
Ny fiainan’ny mponina eto an-drenivohitra amin’ny ankapobeny no horesahiny ao toy ny hamaroan’ireo mpanendaka etsy sy eroa  izay tsy matahotra mamono olona intsony. Anisan’ny hoborahan’ity sarimihetsika ity koa ny fomba fiasan’ireo mpanendaka, ny fomba fisafidianany ireo toerana hanaovany asa ratsy …. Fa tena mampalahelo, hoy i Réné Fulgence dia ny fisian’ireo tanora Malagasy nahavita fianarana nefa  tsy mahita asa, hany ka miroboka amin’ny asa fanendahana… mba hahafahany mamelona ireo vady aman-janany. Teto an-drenivohitra avokoa no nanodinana ny horonantsary ahitana ireo mpanakanto sy olo-malaza izay milalao sy manome aina azy. Hitohy amin’ny alahady fiandohan’ny volana jolay ho avy izao ny fandefasana azy ity ao amin’ny Plaza hahafahan’ny besinimaro mankafy azy sady hisintonana lesona amin’ny fiatrehana ny fiainana ihany koa.

 

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT