kolontsaina

Mpandala ny fomban-drazana Mahafaly “Aza potehina hanaovana kianja ny vakokay”


  • Alakamisy 28 Janoary 2021

Nanao fanambarana ny avy amin’ny Fianakaviamben’ny Mpanjaka Sakalava

 

 

 

 

Mahafaly sy ireo Fikambanana na antoko Mpandala ny fomban-drazana Mahafaly, maneho ny tsy fankasitrahana tanteraka ireo hetsika miseho ambaran’izy ireo fanitsakitsahana ny vakoka sy ny hasin’ireo razana. Maro ny toerana afaka hanatontosana ny fikasana hanamboatra kianja filalaovana na “gymnase”, fa tsy eo amin’ny toerana misy ny Hotel Le Relais ao Ampanihy, izay efa nosokajiana hatry ny ela ho vakoka mitahiry ny tantara sy ny fomba amam-panaon’ny Foko Mahafaly, hoy ny Fanambarana. Eo amin’io toerana io no misy ny “Kile bey”, izay hazo masina sy manan-tantara efa tamin’ny andron’ny Mpanjaka, izay tsy maintsy hovonoina, raha toa ka tsy maintsy eo no hanatanterahana ny tetikasan’ny Fitondram-panjakana. Noho izany, nanao antso amin’ny Mpitondra firenena, ny manam-pahefana isan-tsokajiny ny Fikambanana mpiaro ny vakoka sy ny tantara ary ny Malagasy tsy vaky volo mba hijoro sy ho sarotiny ka hiaro ireo vakoka ireo, ary mba hifanome tànana aminy hamakafaka sy hanadihady izany. Ny fitandrovana ny hasim-pirenena sy ny Firaisan-kinan’ny Malagasy no aoka hotandrovitsintsika, hoy io fanambarana io. Efa adihevitra be ny kianja masoandro na “colisée” etsy Anatirova, saingy tsy nampihemotra ny fitondrana ka asa na hanao ahoana ity any Ampanihy ity?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT