kolontsaina

Mpanao gazety James Robin Hanaovana tolo-tanana etsy amin’ny Tahala Rarihasina


  • Talata 14 Mey 2019

Mpanao gazetin’ny Radio Fanambarana, tsy zoviana amin’ny maro intsony i James Robin. Mandalo tsy fahasalamana tanteraka ny tenany ankehitriny ary manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly Miaramila Soavinandriana na ny HOMI.

 

  Talohan’ny nidirany hopitaly, raha araka  ny fantatra dia efa nitsabo tena tsy nitsahatra izy, antony tsy hananany fahafahana mitsabo tena araka ny tokony ho izy intsony ankehitriny. Mbola betsaka anefa ireo karazana analizy tokony hataony. Ny vidim-panafody tsy maintsy hampiasaina isan’andro tsy lazaina intsony….. Manoloana io tranga io dia hikarakarana tolo-tanana entina hanampiana azy ny “Association des jeunes journalistes de Madagascar” na ny AJJM tarihin’ny filohany Atoa Théodore Ernest.  Eny amin’ny tahala Rarihasina Analakely no hanatanterahana izany rahampitso alarobia manomboka amin’ny 9 ora maraina ka hatramin’ny 4 ora hariva. Tanjon’ny fikambanana ny hahafahan’ireo mpanao gazety rehetra sy ny olon-tsotra manampy an’i James amin’ny fitsaboan-tena tokony hataony. Lelavola moa no hangatahina amin’ny rehetra amin’izany raha azo hatao.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT