kolontsaina

Mpanao asa tanana Malagasy Misedra olana hatrany


  • Zoma 11 Mey 2018

Miankina amin’ny akora fototra hatrany ny vokatra ataon’ny mpanao asa tanana malagasy. Mbola mampitaraina ireo mpisehatra amin’ny asa tanana anefa ny fahalafosan’ny akora fototra, indrindra ireo hafarana.

 Raha amin’ny resaka lamba, ohatra, dia vitsy ihany no mbola misy eto Madagasikara, indrindra ho amin’ireo kalitao tena tsara sy tsy miofo, hoy ramatoa Ratsimba, filoha sady mpanorina ny orinasa Kolokanto. Araka izany, tsy maintsy manafatra mba hivoaka tsara ka afaka mifaninana amin’ny hafa ny vokatra atao. Noho izay fidanganam-bidin’ny akora fototra izay dia matetika lafo ny zavatra vita malagasy. Maro noho izany no manjifa ireny entana vita vahiny izay mitobaka be  sy mora vidy  ireny. Ny fahefa-mividin’ny Malgasy izay ambany dia ambany koa moa no tsy ahafahany manjifa ilay vokatra malagasy izay tsara kalitao. Ankoatra izay dia misy ihany koa ny fanenjanan-ketra ataon’ny fanjakana amin’ireo mpanao asa tanana mijoro ara-dalàna. Sady mifaninana amin’ireo sehatra tsy ara-dalàna misy eto an-toerana no mifaninana amin’ny vokatra tonga avy any ivelany izahay, hoy hatrany Ramatoa Ratsimba. Araka izany dia vitsy hatrany ny manjifa ny vokatra vita Malagasy amin’ireo vokatra tena tsara . Tokony hisy politika mazava ny amin’ny fampandrosoana ny orinasa sy ny asa tanana Malagasy eto fa raha tsy izay dia ny vahiny foana no hanankarena.


Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT